Friday, July 27, 2007

INONA NO MERY HATAOKO, MBA HOVONJENA AHO?

Malagasy

J.D. Phillips

1. Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny aankohonanao. (Asan’ 16:31) Fa raha tsy amin’ ny finoana, dia tsy misy azo ato hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’ Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay nazoto mitady Azy. (Hebreo 11:6) fa izay tsy mety mino no hohelohina. (Marka 16:16) fa raha tsy mino hianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ ny fahotanareo hianareo. (Jaona 8:24) Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. (Jakoba 2:17)

2. Mibebaha, ary aoka samy... (Asan’ 2:38) Tsia, hoy Izaho aminarero; (Lioka 13:3,5) Andriamanitra ..... ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’ izao tontolo izao hibebaka, (Asan’ 17:30) Efa nomen’ Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainans. (Asan’ 11:18).

3. Ary amin’ ny vava no anekena hahazoana famonjena. (Romana 10:10) satria raha manaiky an’ i Jesosy ho Tompo amin’ ny vavanao hianao ary mino amin’ ny fonao fa Andriamanitra efanangana Azy tamin’ ny maty, dra hovonjena hianao. (Romana 10:9) Ary amin’ izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra. (Matio 10:32) Hianao no Kristy, (Matio 16:16) Mino aho fa Jesosy Kristy no Zanak’ Andriamanitra. (Asan 8:37).

4. Batisa izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’ lo tandindona io, (I Petera 3:21) Izay mino sy atao batisa no hovonjena; (Marka 16:16) Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy. (Jaona 3:5) fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika, (Titosy 3:5) Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy hianarero rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; (Asan’ 2:38) Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa hinao ka hosana ho afaka amin’ ny fahotanao. (Asan’ 22:16) batisa ho an’ i Kristy (Galatiana 3:27) batisa ho amin’ ny fahafatesany? (Romana 6:3) Koa raha misy olona ao amin’ i Kristy, dia olom-baovao izy; (I Korintiana 5:17).

Mampianatra antsika handa izay toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra sy ny filan’ izao tontolo izao ary ho vekona amin’ ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ izao fiainana ankrhitriny izao, miandry ny fanantenana maha finaritra sy ny fisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra lehibe sady Mpamonly antsika, dia Jesosy Kristy, Izay nanolotra ny tenany hamoniy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ ny asa tsara izany. (Titosy 3:12-14).

ARY midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin’ ny zavatra rehetra hianareo sadymitana tsara ny famplanarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo. (I Korintiana 11:2)

HO AMIN’ ny olona masina anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy. (Apokalypsy 22:21)

Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ ny hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao an-tanàna. (Apokalypsy 22:14).

No comments: